Vahoaka malagasy niharitra fampahantrana

Mbola latsaina ihany!


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Naha tohina mpanara-baovao maro ny filazàn’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana

ny repoblika teo aloha, Lova Hasinirina Ranoromaro, tao amin’ny tambazotran-tseraserany ny sabotsy teo fa mpiaradia mitondra fandresena na «duo gagnant» ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina, sy ny praiminisitra notendreny fanindiminy, Ntsay Christian, hanangana indray ny governemanta manaraka eo, izay mbola mametra-panontaniana sahady koa hoe ho vaovao tokoa ve no azo ilazana azy sa ho tonta navadibadika ihany? Nampian’ity talen’ny kabinetra teo aloha ity moa izany hoe «mitohy hatrany ny ezaka…». Isan’ny fanontaniana mipetraka, noho izany, ny hoe inona izany no resin’ny fiarahan’izy mirahalahy ireto? Ny fahantrana ve? Ny zava-misy aloha dia gisitra na mahantra indrindra eran-tany isika hatreto, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo. Ilay valin-katsembohan'ny mpampianatr’Ankatso na «heure complémentaire» 5 taona tsy nalohany no mampalahelo ahy, hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Mba te hifaly amin'izay nisasaranay izahay, hoy izy. Raha mbola tsy ampy traikefa amin’izao kosa dia efa tena donto, hoy ny mpanara-baovao hafa nasiaka dia nasiaka. Dia mbola tsy ahita politika mipaka any anaty vilanim-bahoaka ihany ve amin’izao io praiminisitra tsy foy io, hoy ny fanontaniana hafa? Rehefa zohiana, noho izany, ny ankamaroan’ireo fanehoan-kevitra dia saika nahatarafana vahoaka malagasy niharitra fampahantrana saingy mbola latsaina ihany amina karazana fomba fijery manahirana toy izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT