Misy olana ara-piarahamonina goavana mila halalinina sy dinihina, ary hitadiavana vahaolana maharitra eto.
Tsy nisy resaka ara-tsosialy ateraky ny fahantrana mahazatra sy efa hita foana, fa tena karazana vanja milevina, izay manomboka mipoaka, raha jerena amin’ireo zava-miseho tato ho ato. Manomboka hita ny karazana fitroarana ataona andian’olona na vondron’olona, na andeha ato mihitsy hoe mihitsy hoe: “vahoaka”. Tsy mbola fahita izany fisiana andian’olona tonga eny amin’ny fonja mitaky ny hamoahana gadra izany, fa niseho tany Vangaindrano ny 07 desambra lasa teo. Hita izany tamin’ny raharaha Imerintsiatosika, izay nisiana fitroarana ny 26 desambra lasa teo, ary tsy matahotra ny ainy intsony ny vahoaka eo anatrehan’ny basy mirangaranga. Namoizana ain’olona ny gidragidra tany amin’ny karieran’i Beafo Andilana Avaratra any Amparafaravola ny 28 desambra lasa teo noho ny fahatsapana mizana tsindrian’ila sy kely tsy mba mamindro.
TSY TOKONY HOBORIBORIANA FOTSINY
Tsy manome tsiny na manameloka na iza na iza, fa kosa mila vahaolana maharitra, fa tsy vitan’ny fanaovana vahaolana “tip top”. Tsy vitan’ny fanaboriboriana resaka io, fa mety tena misy marary matoa ny vahoaka mitroatra, ary ny vy tsy mikitrana irery, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy. Tsy tokony ho tsotsorina fotsiny amin’ny hoe: olom-bitsy na nisy namporisika na olon-dratsy sanatria ireny mihetsika ireny fa mila karohina ny vahaolana, ary tsy sanatria biby ka amporisihina dia handeha hanaikitra olona fahatany. Izany no ilana ny fandaminana ara-piarahamonina, izany no ilàna sefo fokontany, ben'ny tanàna, depiote, prefe, sefo distrika sy ireo tompon'andraikitra maro be. Mandray andraikitra dia mikaroka vahaolana mahomby fa tsy hoe efa mandeha ny fanadihadiana fa ny olana anefa tsy voavaha ary mety vao miha mitombo sy miotrika aza. Mihalalina ny tsy fifampatokisana, misy ny mety mieritreritra fa efa milamina izy, izay ataony no mety ary tsy ho azon’aloka mihitsy izy .Misy ihany koa ny mahatsiaro ho tratry ny tsindrihazolena, mahatsiaro ho tratry ny kely tsy mba mamindro,… ka indraindray mahavita manao ny tsy fanao, mandika lalàna, manampatra hery.. Miampy ny fahantrana mihoampampana sy ny olana ara-tsosialy sy toekarena amin’ny endriny maro ireny, dia mivadika zavatra hafa tsy ampoizina, ka mila hiaraha-mitady vahaolana sy fandrindram-piarahamonina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.