Sosialy

Vahoaka Malagasy Mahantra, tsy voakarakara ny maha olona


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Adihevitra tsy mety vita eo amin’ireo mpanohana sy ny mpanohitra ny fitondrana ny hoe :

 

 

 

 tsy maika izany fanorenana “building” sy “Tanamasoandro” mamirapiratra izany fa tsy aleo ve aloha vonjena maika ny sosialim-bahoaka. Hatraiza ny mety ho fahamarinana na fahadisoan’ny an-daniny sy ny an-kilany ? Efa nahazoana valin-teny mazava ny fandinihana ny tatitry ny ny PNUD momba ny fampandrosoana ny maha olona ny taona 2019.

 

Tena tratra aoriana

Anisan’ireo firenena tena sahirana indrindra aty Afrika sy eto ambonin’ny tany i Madagasikara amin’izao fotoana. Mazava ny tarehimarika momba ny fampandrosoana ny maha olona na IDH (Indice de Developpement Humain) tamin’ny 2019, izay fanadihadiana fanaon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) isan-taona. Any amin’ny faramparan’ny tabilao i Madagasikara. Laharana faha-29/53 aty Afrika ary laharana faha-162/189 maneran-tany. Tondroin’ny fanadihadiana fa ambany ny fampandrosoana ny maha olona eto Madagasikara, tahaka ny any Benin, Lesotho, Cote d’Ivoire, Senegal. Masontsivana raisina hanaovana ny fanadihadiana sy hanasokajiana ireo firenena amin’ity IDH ity ny lentan’ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny vola miditra isam-batan’olona. Mazava izany ny resaka eto fa anisan’ny ratsy indrindra maneran-tany ny fanabeazana sy fampianarana omena ny zaza sy ny tanora Malagasy, ary tsizarizary ny resaka fahasalamana. Maro an’isa ny Malagasy tena kely fidiram-bola. Marihana anefa fa voalohany aty Afrika amin’ity resaka fampandrosoana ny maha olona ity ny Nosy Seychelles sy Maorisy izay raha atao indray mijery dia firenena kely roa aty amin’ny ranomasimbe Indianina nametraka avo ny fanabeazana sy fampianarana ny olona ao aminy, nametraka fanjakana tsara tantana, nanalavitra ny krizy politika ary nampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana. Samy malaza maneran-tany amin’ny fizahantany avo lenta (Tourisme de luxe) i Seychelles sy Maorisy. Tsy misy afa-tsy ny fampianarana ny vahoaka ao aminy, ny fiahiana ny fahasalamany sy ny fiainana ara-tsosialiny, ny famoronan’asa, ny fametrahana fandriampahalemana no fototra mampandroso ny firenena iray. Ireo no tokony ho laharam-pahamehana fa ny olona noana, tsy salama, tsy manana anton’asa mazava, tsy afaka mihitsy hanofa na hividy trano amin’ny “Building” mijoalajoala.

 

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT