Sosialy

Vahoaka Malagasy Lasa malaina mamokatra


  • Zoma 31 Mey 2019

Efa kolontsaina niha nahazo vahana, indrindra ny taona 2009 ity fanontaniana isaky ny misy andro tsy fiasana hoe “angaha tsy pont ?” ity.

Eto Madagasikara anefa dia saika isam-bolana misy andro tsy hiasana foana. Raha tsy hitanisa afa tsy tamin’ity volana mey ity fotsiny, teo ny fetin’ny asa, ny fifidianana ary ny fiakarana omaly. Hiditra indray isika izao amin’ny volana jona dia efa lasa tsy miasa koa ny 4 jona izao. Mbola amin’ity ihany koa anefa no hankalazana ny fetim-pirenena ary manelanelana ireo ny pentekosta. Araka ny fanadihadiana natao, manary 2.000.000-1 miliara ariary amin’ny ankapobeny ny orinasa iray raha tsy mamokatra andro iray fotsiny. Manomboka amin’ny orinasa madinika io (TPE, PME, PMI) ka hatramin’ny lehibe. Ny mahagaga, any amin’ireo firenena efa mandroso toa an’i Frantsa aza dia nangataka mihitsy hoe aleo hahemotra ny retirety ary ampitomboina ny ora fiasana. Ny eto zara aza tsy miasa kanefa efa miha mahantra. Lasa malaina mamokatra ny vahoaka Malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT