Mampanahy ny zavatra mety hitranga eto Madagasikara, taorian’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izay tena nahitana hosoka sy hala-bato iny.
Tsy niafina fa tena nabaribary ny halatra tahaka ny hoe raha 65 ny isam-bato azon’ny kandida iray dia notovonana 1 tsotra izao ka lasa 165. Moa ve tsy tena fanabadoana ny Malagasy ? Etsy an-kilan’izay, nanaboribory resaka fotsiny ny rafitra mpikarakara sy mpikirakira ny fifidianana na ny CENI ka nilaza fa mila ajanona ny fanenjehana fa efa nisy ny fitarainana noraisina, aoka hiandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’izay. F’angaha moa tsy efa nanana 4 taona niomanana sy nanomanana io fifidianana io ny CENI ? Koa nahoana no mbola misy zavatra mifamadika ihany ? Noho ireo antony rehetra ireo no nahatonga ny olom-pirenena mijoro ka mitaky ny fahamarinana. Aleo habaribary ho hitam-bahoaka ny marina momba ny hala-bato natao. Izay no anton’ny hetsika eny amin’ ny kianjan’ny 13 mey mba hanairana ny tsirairay fa nisy halatra be vava natao teto ary nanosihosena ny safidin’ny maro an’isa. Mazava izao fa misy ireo andian’olona, mpanao politika, mpandraharaha, hatramin’ny tompon’andraiki-panjakana ambony manararaotra ny fahasahiranan’ny Malagasy sy ny tsy fahampian’ny fahalalany mba hamoahana valim-pifidianana tery vay manta hampandresena kandida iray. Fantatr’izy ireo tsara fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 50%-n’ny Malagasy, monina any ambanivohitra ny 64% ary sokajiana ho mahantra na tsy afaka miaina amin’ilay 2 dolara isan’andro ny 90% koa dia natao ny kitambitamby sy kizarazara hividianana ny safidin’ny olona. Izay nidrinkina ka tsy nanaiky ny fanambakana dia niharan’ny daroka sy ny fandrahonana ary nisy naratra sy namoy ny ainy mihitsy. Mihevitra mantsy ireo vondron’olona mampiasa vola sy fahefana ireo fa ho reraka eny ihany Ramalagasy ka tsy hanohitra ny tsy rariny intsony rehefa ela ny ela. Nataon’izy ireo ny hala-bato ary miditra amin’ny dingana faharoa ry zareo amin’izao dia ny fanerena ny Malagasy hanaiky ny valim-pifidianana ka ampiasaina ny fomba rehetra hahatongavana amin’izany. Efa nanizingizina koa anefa ireo olom-pirenena mitaky ny fahamarinana mitolona eny amin’ny 13 mey fa hijoro hatramin’ny farany satria tonga izao ny fotoana hanosehana sy handresena amin’izay io fanambakana ny Malagasy miendrika fanjanahantany maoderna io, izay efa nanapotika ny firenena nanomboka ny taona 2009.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.