Sosialy

Vahoaka Malagasy Faran’izay mihari-pery, leo sakoroka…


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Betsaka ny mametra-panontaniana ankehitriny hoe : nahoana ny Malagasy no mahari-pery sy tsy mitroatra eo anatrehan’ny tsy rariny miseho amin’ny endriny maro,

ny fahantrana mandifotr’olona, ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena, halatra, kolikoly,… ? Manaiky lembenana na miakatra hatrany aza ny daozin’ny olana sy fahapotehana ara-tsosialy sy toekarena : jiro sy rano tapaka mandavan-taona, vidim-piainana miha midangana andro aman’alina,… Toa zary hararaotin’ny mpitondra sy ny mpanao politika ny fahalemen’ny Malagasy ka indraindray eo anatrehan’ny efa tsy fanjarian’ny fitondrana firenena aza mbola misy mihantsy ady mivantana na ankolaka. Tsy midika fa mankasitraka ny zava-misy, fa mety leo sakoroka, na koa ny olona mahatarika na « leader » no tsy ampy na tsy mbola vonona. Amin’ny lafiny iray anefa, heverina ho anton’io raha ny fampahatsiahivan’ny mpanao gazety iray ny laharantsika eo amin’ny tondro momba ny fitoniana sy ny filaminana. Laharana faha-55 amin’ny 163 mantsy i Madagasikara raha ny fanasokajian’ny Institute for Economics and peace. Hatreto, mbola mitana ny lohalaharana hatrany I Island tao anatin’ny 15 taona. Manaraka azy I Danemark, Ireland, Nouvelle Zélande, Australie,… Any amin’ny laharana dimy farany kosa i Nepal, Chine, Tunisie, Guinée Equatoriale, ary mamarana azy any amin’ny rambony ny Repoblika Dominikanina. Miisa 23 moa ny mason-tsivana amin’io, mizara amin’ny sehatra miisa 3: ny refin’ny natoka sy fitoniana eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena (asa fampihorohoroana, vono olona,…), ny hamafin’ny fifandonana anatiny sy iraisam-pirenena (ady sisin-tany, ady an-trano,…), ary ny lentan’ny fanankinana ny aim-pirenena amin’ny tafika na “militarisation du pays (vola haompana amin’ny tafika, ny fitaovam-piadiana nokleary, ny tanjaky ny tafika,…).
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT