Sosialy

Vahaolan’ny vidim-bary midangana Ataovy betsaka ny vary afarana, hoy ireo mpivarotra


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny mpivaro-bary manoloana ny resabe mandeha fa

izy ireo no tena manararaotra mampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena ankehitriny. Tsy avy aminay loatra izany hoy ny mpivarotra iray teny Anosibe na dia misy aza ireo manao ny hataony tsy mametraka mazava ny vidim-bary hamidiny eny an-tsena. Hatrany am-potony mihitsy no mampidangana ny vidim-bary hoy izy. Efa tapitra mantsy ny fararano, lany ihany koa ireo vary nafarana niparitaka teny an-tsena, raha efa miditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny main-tany isika izao. Mamilafila na tsy manome ny vokatra hananany mihitsy ireo tantsaha noho izany. Misy aza hoy hatrany ity mpivarotra iray ity efa hitalahoana andro maromaro mihitsy vao mety hivarotra izany ka tsy maintsy alaina amin’ny vidim-bary hamarotana azy ny fiakaram-bidy nanaovan’ilay tantsaha azy. Vahaolana omen’ireo mpivaro-bary eto amintsika ny Fitondram-panjakana araka izany ny tokony hampidirana betsaka ny vary nafarana hahafahana manentsina ny banga. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidinana ny hetra alaina amin’izy ireny hahafahana miady amin’ny krizy ara-tsakafo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT