Sosialy

Vahaolana anio sy rahampitso “Vahao faran’izay haingana io olan’ny rano io”


  • Talata 21 Desambra 2021

Ny volana desambra tahaka izao, ho an’ny mpikarakara lanonana sy mpanakanto, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Vahaolana Anio sy Rahampitso,

 no tena mba honovozana kely fotoana fitadiavam-bola. Isika anefa izao, hoy ny filohan’izy ireo, Jerry Rakotoarijaona, tafalatsaka anaty valanaretina indray dia misy ilay fepetra raisina hoe “fahamailoana ara-pahasalamana”. Antsoina ny vahoaka mba ho tony tsara ao anatin’ny fiatrehana ity valanaretina ity satria raha saina mikorontana koa no entina miatrika azy dia sarotra ihany. Tsy dia hitovy tamin’ny vanim-potoana niatrehana izao aretina izao voalohany ny fiatrehana azy amin’izao satria tamin’ireny mbola tsy nisy na fanafody na inona izao manana fitsaboana azo isafidianana toy ny CVO, CVO+, vakisiny sy ny hafa rehetra. Tokony arahana na izany na tsy izany ny fepetra rehetra mahakasika ny fitandremana ara-pahasalamana, ny elanelana 1 metatra, ny fampiasana arovava orona, fanasana tanana matetika ary hamafisina hoe aleo ho tony aloha ny olon-drehetra. Aoka aloha ny adilahy politika, ho an’ny mpanao politika! Antsoina koa ny fitondram-panjakana hanao ny andraikiny. Io resaka rano io vahao faran’izay haingana io fa tsy hisy fitoniana koa raha tsy misy ny rano nefa mila manasa tanana matetika. Ny jiro ho tapaka nefa anaty fety. Miantso ny JIRAMA sy ny minisitera tomponandraikitra amin’izany hitady vahaolana haingana sy maharitra. Eo koa ny fiakaran’ny vidin-javatra, entanina handray ny andraikiny, ny minisitra voakasik’izany. Raha mba azo atao tompoko, tsipy teny ny an’ny VAR, hoe tsy soatoavintsika Malagasy ilay manisa maty, hoy hatrany ny VAR.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny VAR
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT