Somary mahagaga ihany ny tsy maha voaresaka loatra ny fanenana vidin-tsolika
manoloana ny vahaolana aroso amin’ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madagasikara ankehitriny. Tsy nisy izay tsy nahalala ny fitotonganan’ny vidin’ny Barilin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tao anatin’izao fotoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana izao. Raha mbola nanodidina ny 80 dolara izany nialohan’ny nidirana tamin’ny fihibohana, hoy ny fanamarihan’ireo mpandraharaha ara-toekarena, dia efa tafidina 40 dolara izy izao. Izany hoe nihena antsasany. Mahagaga, hoy ny fanazavana, fa mbola tsy niala manodidina ny 4200 ariary hatrany ny litatry ny lasantsy eto amintsika nefa tany amin’ny volana jolay no tokony ho efa 1000 ariary, raha ny zava-misy maneran-tany no jerena. Ny praiminisitra moa tamin’ny fotoan’androny nilaza fa mbola hananan’ireo mpiara-miombon’antoka trasa amina miliara dolara ny fanjakana Malagasy ka mba ho fanefana izay no anton’ilay tsy fahafahana manetsika ny vidin-tsolika. Ho fanefana trosa ihany koa ve noho izany ny tsy fifehezana ny vidim-piainana izay mampikaikaika vahoaka ankehitriny? Fa iza na iza avy no nahatonga ilay trosa ho niavosa no tsy maintsy ny vahoaka no mizaka ny vokany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.