Sosialy

Vadina mpilalao kitra iraisam-pirenena Manao asa soa ao Brickaville isan-taona


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Tsy manadino ireo Malagasy mila ny fanampiany isaky ny mandalo an-tanindrazana i Marinaah Doumbia, teratany Malagasy avy ao Andovoranto Brickaville vadina mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena Ivoarianina milalao eo anivon’ny “Sporting Club de Portugal”.

Ny zoma lasa teo dia nisy ny asa sosialy natao ho fanampiana ny ivontoerana “Réfuge d’Aina” ao Analamalotra Toamasina II, izay toerana hitaizana sy hanabeazana ary hampianarana ireo “zanaky ny lalana” mpangataka sy mpitangorona teny amoron-dranomasina sy araben’ny fahaleovantena ao Toamasina renivohitra. Nanomboka ny taona 2015 no efa nanampiany isan-kerinandro ireo “zanaky ny lalana” ao Toamasina ireo, ka nanapa-kevitra izy sy ny mpiara-miasa aminy nanangana ity ivontoerana ity ny taona 2016. Manana sekoly garabola hatramin’ny taona faha-5 na “CM2” ny ivontoerana. Miisa 52 ireo zaza sy ankizy ary tanora beazina ao amin’ny “Réfuge d’Aina” amin’izao, ka ireo filana ilain’ny ivontoerana no natolotr’i Marinaah Doumbia ho azy ireo, anisan’izany ny vary, siramamy, boky, kilalao, kahie, kitapo, menaka, baolina, ary savony.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT