Sosialy

v Tany nisy naka an-keriny Hanao ampamoaka i Jean Nirina HAFARI


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Be loatra ireo tanim-bahoaka misy maka sy manodinkodina eto amintsika. Anisan’izany ny kianja filalaovam-baolina etsy Anosizato sy ny lalam-pirenena I am-pitan’ny biraon’ny HAFARI Malagasy izay nisy namefy ka làlana kely feno loto sy lasa fieren’ny jiolahy sisa no ampiasain’ny mponina ankehitriny.

 

 Tsy hanaiky intsony fa hanao ampamoaka ireny rehetra ireny ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy miaraka amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa…Efa nambaran’ny fitondram-panjakana fa hijery ireny tany lasan’ny sasany ireny izy ireo ka efa misy ny fitarainana naterinay eny Ambohitsirohitra. Ho an’ny kianjan’Anosizato manokana dia nambarany fa tamin’ny fotoana nahavoafonja azy no namarotan’ny sasany izany raha toraka izay koa ny lalam-pirenena I  izay afaka mamaha tsara ny fitohanana eny Anosizato isan’andro. Tsy hangina intsony izy ireo ary hanapoaka ny dosie rehetra mahakasika ireny tany ireny, hivoahan’ny tena marina.  Na dia eo aza ny adidy mavesatra hiantsorohan’ny HAFARI dia tsy nanadino ireo olona sahirana ara-pivelomana sy zokiolona ary traboina vokatry ny fianjeran’ny vato tetsy Ampamarinana izy ireo. Nisy ny fotsimbary, hena, menaka nozaraina ho azy ireo omaly noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT