Sosialy

UNFPA-Fanatsarana ny sehatra ara-tsosialy Hahazo tombony kokoa ny vehivavy


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Sehatra 4 no niompanan’ny fandaharan’asa faha-7 an’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana Momba ny Mponina (UNFPA), niarahany niasa tamin’ny governemanta malagasy,

 

izay natomboka tamin’ny taona 2015 hatramin’ity taona 2019 ity. Vola 75,5 tapitrisa dôlara  no natonton’ny  UNFPA tamin’izany ary omaly no namoahan’ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ity ny tomban’ny ezaka vita. Nisongadina ary, teo amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-pananahana, fa nitombo ny isan’ireo vehivavy mamonjy tobim-pahasalamana rehefa hiteraka. Miisa 150.901 izy ireo, tao anatin’izay fe-potoana izay, raha ny antontan’isa voarakitra. Nivoitra ihany koa, tao anatin’izay sehatry ny fahasalamana ara-pananahana izay hatrany, fa niisa 4.355 ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava no voadidy. Teo amin’ny sehatry ny zatovo sy ny tanora indray dia efa miisa 22 ankehitriny ireo ivontoerana sy tambajotra natokana ho an’ny tanora no miasa, raha toa ka 2 monja izany, tany amin’ny taona 2014. Fantatra ihany koa moa fa nahatratra 92.000 isa ireo tanora voaentana momba ny fahasalamana. Raha ny momba ny miralenta indray dia vehivavy miisa 505, niharan’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta (violence basée sur le genre), na vao avy nodidiana vokatry ny aretina mamany lava, no nampiana mba hanana asa fivelomana sy hiverina soa aman-tsara eo anivon’ny fiarahamonina indray. Teo amin’ny sehatra faha-4 farany, izay momba ny mponina amin’ny ankapobeny kosa, dia nisongadina ny fanisana ny mponina sy ny trano fonenana, izay 25 taona aty aoriana vao nisy indray teto amintsika. Amin’ny taona  2021 hatramin’ny taona 2025 indray moa no hanatanterahana ny fandaharan’asa faha-8, araka ny nambara, omaly teny Anosy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT