Sosialy

UN REPAS POUR MILLE Sahirana 800 nofahanana sakafo maimaimpoana


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Olona sahirana miisa 800 no nofahanan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo sakafo maimaim-poana tetsy amin’ny EPP Analakely ny faran’ny herinandro teo ho fizarana fifaliana amin’izy ireo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona.

Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany ireo niangaran’ny vintana monina eny La Réunion kely…. Nambaran-dRtoa Hilda Hasinjo, anisan’ireo angady nananana ny hetsika fa izao no nataon’izy ireo dia entina hanomezana hafaliana ireo sahirana eny fa na dia indray andro monja aza ka mba hahatsiarovany fa miaina toy ny olon-drehetra mitovy aminy izy. Mbola hitohy hatrany  ny hetsika, hoy hatrany izy. Mikasika ny politika hoenti-miady amin’ny fahantrana dia nomarihiny manokana fa an’ny fanjakana izany raha anjarany ny mijery  izay mba kely vitany tahaka izao. Tafiditra ao anatin’ilay « Un repas pour mille » andiany fahatelo ny hetsika.

 

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT