Sosialy

Tsy voaloa vola Hiato ny asa fanarenana ny tsena ao Toliara


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Mihisatra ary mety hikatso ny asa fanarenana ny Bazaribe sy Scama ao Toliara. Mpiasa an-jatony no ho very asa manaraka izay.

Resa-bola no voalaza fa antony. Tombanana hatrany amin'ny 80% ny asa tontosa nefa tsy misy vola azo fa dia ilay orinasa nahazo ny tsenan'asam-panjakana no nianto-tena nanaovana ny asa hatreto. Manomboka miantraika any amin’ny kitapom-bolan’ny orinasa anefa ankehitriny ny vesatry ny fandaniana amin’ny fampitaovana, ny akora, ny karaman'ny mpiasa ka dia nanapa-kevitra ny fitantanana ny orinasa fa hiroso makany amin'ny fampiatoana ny asa mandra-pisy fandoavam-bola avy amin'ny fanjakana. Anatin’ny fandaharanasa "Programme d'Appui et de Développement des Villes d'équilibre" na PADEVE II ary vatsian'ny Frantsay amin'ny alalan'ny AFD (Agence Française de Développement) vola, ny fanarenana ireo Bazary ao Toliara ireo. Araka ny loharanom-baovao dia efa nirotsaky ny mpamatsy vola any amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny anjara birikiny fa ny fanjakana mitantana azy no mampandry adrisa lava amin'ny fandoavam-bola.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT