Sosialy

Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasan’ny SMA


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Tototry ny fako tanteraka Antananarivo

Vao tamin’ny volana Jona lasa teo no nisy olana momba ny tsy fandoavana ny karaman’ny mpiasa ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa tara dia niverina sahady izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia tara indray ny karaman’ireo mpiasa izay tsy mijanona ho an’ireo mpiasan’ny kaominina fotsiny ihany fa miitatra hatrany amin’ireo mpiasan’ny SMA na ny Société Municipale d’Assainissement izay misahana manokana ny resaka fanadiovana. Antony mahatonga ny fako mivangongo eto Antananarivo renivohitra izany. Ho an’ny etsy Ampasampito ohatra dia efa mila hanapaka ny arabe mihitsy ny haavon’ny fako izay tena manelingelina ny fifamoivoizana no sady misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina. Izay rehetra aleha ahitana fako mivangovo avokoa, toy ny eny Ambohipo, Ankadindramamy,… Milaza ireo mpiasan’ny SMA fa tsy hanao ny asa fanadiovana toy ny fanalàna fako, ny fakana diky sy ny fanadiovana tatatra intsony izy ireo raha tsy voaloha ara-dalana ny karamany. Manome herinandro ny kaominina moa ny sendikan’ny mpiasa ao amin’izy ireo mba hahafahana mamaha ny olana. Raha tsiahivina mantsy dia tamin’ny 20 Jolay lasa teo vao voaloha ny karaman’izy ireo volana Jona. Manahy ny mety handraisany ny karamany volana Jolay amin’ny 20 Aogositra ho avy izao indray izy ireo noho izany.


Tsy finiavana hanakiana fa aiza ho aiza ilay fampanantenana nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna momba ny ho fahadiovan’ny rehefa ny kandidam-panjakana no lany eo? Moa tsy ny Filoha Rajoelina mihitsy no nitanisa ny loton’Antananarivo sy ny tanàna maimbo nentina nanenjehana ny mpitantana ny tanàna tamin’izany izay natao fahirano? Moa tsy ny Filoham-pirenena no nanome toromarika latsa-bato hifidianana ny volomboasary iray andro nialohan’ny latsa-bato ka nampanantena 11 miliara Ari san-taona ho an’ny kaominina Antananarivo?
Pati
Legende : Mivangongo tahaka izao avokoa ny fako eto an-drenivohitra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT