Sosialy

Tsy vita fisaraham-panambadiana nefa misoratra indray Mampigadra 5 volana ka hatramin’ny 5 taona


  • Zoma 12 Jolay 2019

Mampigadra avy hatrany raha vao fantatra fa manambady ara-dalàna nefa tsy mbola vita fisarahana, dia mbola misoratra any amin’ny kaominina na firaisana hafa.

 

  Sazy sy figadrana 5 volana ka hatramin’ny 5 taona no azon’izay olona tratra manao izany, hoy ny fanazavana. Nambaran’ny delegen’ny Boriborintany fahefatra, Atoa Ramahandrimanana Daniel Solofoniaina fa tsy azo atao mihitsy izany, fa mahavoasazy ary mandoa onitra. Voalaza, fa tokony hisy fanambarana an-tsisiny eny amin’ny kopia hoe : “efa maty vady na nisaraka tamin’ny vady” avy any amin’ny tribonaly.   Ny kopia ihany no mitondra an’io, hoy izy. Tokony hanamarina io fanambarana an-tsisin’ny kopia io, ny tompon’andraikitra rehetra, rehefa mampanao soratra mpivady. Fanaovana taratasy hosoka sy fandaingana no ataon’ilay olona hisoratra raha izay no mitranga na “faux et usages des faux”.

Mialoha ny fisoratana dia misy ny “lettre d’engagement”izay  milaza fa tsy nisoratra na nanambady ireo mpivady  hisoratra dia atao ny sonia ary asiana lavotondro avy eo legalizena. Iray volana mialoha no ampidirana ny antontan-taratasy fisoratana eny amin’ny firaisana. Mikasika ny fizarana fananana indray, dia nambaran-dRtoa, ny dokotera Rambolamasoandro Herisoa, lefitra voalohan’ny delegen’ny Boriborintany fahefatra fa eo am-pisoratana ireo mpivady no manao fanambarana fa mizara mira ny fananana, tsy  anjaran’ny firaisana intsony izay miseho any ambadika any avy eo, hoy izy.  Rehefa misara-belona ihany no mizara ny fananana ary ny tribonaly no miandraikitra ny fisarahana dia izy no manao ny fizarana mitovy. Raha misy ny fahafatesan’ny iray amin’izy mivady, dia tsy mizara ny fananana fa ny zanaka no mandova, hoy ny fanazavana. Raha misy ny fananganan-jaza natao, dia tsy mandova be io, fa mahazo ny ampahany ihany. Marihana, hoy ity lefitra voalohany ity, fa misy ny didim-panjakana omena ireo mpivady vita soratra, izany hoe adidy sy andraikitra ampiarahana amin’ny bokim-pianakaviana rehefa vita soratra.

 

Sitraka r.               

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT