Nanao fanambarana miaraka tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly ny fikambanan’ireo mpivarotra niandraikitra ny sakafo teny Soamandrakizay nandritry ny fitsidihan’ny Papa Fransoa teto Madagasikara ny 6 ka hatramin’ny omaly 10 septambra. Fatiantoka 100%, hoy ny mpisolovavan’izy ireo,
Maitre Tantely Ramaroson, raha ny fitarainan’ireto mpivarotra ireto no nahazo azy ireo nandritr’io fotoana io. Nomarihin’izy ireo fa tsy miady amin’ny finoana Katolika akory izy ireo fa ilay orinasa AB Event izay voalaza ho niandraikitra ny resaka fahafaha-mivarotra ireo sakafo kosa no raisin’izy ireo ho tompon’andraikitra voalohan’ny fahavoazany. Nisy fitaka nanomboka tany amin’ny fikarakarana, raha ny fanazavana. Sakafo maraina, atoandro, hariva miisa 12.000 isan’andro, isak’ireo tranoheva no nasaina nomanin’ireo mpivarotra kanjo matin’ny vovoka efa ho antsasaka santimetatra ny hateviny, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Tsy nifanarahana hoe andraikitr’ireo tranoheva no miaro ny vovoka fa efa nampanantena ilay orinasa fa misy vokatra avy any Inde ahafahana tsy mampihetsika ireo vovoka. Ny Sapeur pompier koa eo hanondraka rano. Tsy nisy anefa izany, hoy ny fanazavana, fa nanampy trotraka aza ny jiro tapaka lava noho ny tsy fahatomombanan’ny “cable” mitazona azy. Nasiso daholo koa ireo sakafo. 2 andro sy 1 alina dia efa nahorin’ny AB Event ireo tranoheva, hoy hatrany ny fitarainan’ireo mpivarotra. Tranoheva miisa 70 ka hatramin’ny 90 isa no lazaina fa zakan’io toerana io tany am-boalohany kanefa rehefa hitan-drizareo ny hamaroan’ireo mpizaika dia nampiany indray izany. 600.000 ariary anefa no mora indrindra amin’ireo tranoheva ary 16 tapitrisa ka hatramin’ny 20 tapitrisa ariary no fandaniana na “investissement” an’ireo tranoheva isanisany. Mitaraina amin’ireo heveriny ho tompon’andraikitra afaka mandray ny fitarainany aloha hatreto ireto mpivarotra ireto ary nilaza fa raha tsy manome fanazavana mikasika izay nahatonga iny fahavoazan’ireto mpivarotra ireto iny ilay orinasa milaza ho mpikarakara dia tsy maintsy hiitatra eny amin’ny fitsarana ny raharaha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.