Sosialy

Tsy nahatanty nisaraka Notetitetehany ilay olon-tiany


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Vono olona feno habibiana no nitranga tany amin’ny kaominina ambanivohitra Sandrakatsy, distrikan’i Mananara Avaratra alakamisy 30 aprily lasa teo.

 

Tovovavy iray nandeha naka rano no notetitetehan’ny olon-tiany tamin’ny antsy ka namoy ny ainy tsy fidiny. Nanomboka tamin’ny fanalany ny hodi-dohany izany, niampita tany amin’ny hatony….Raha araka ny loharanom-baovao azo dia olana ara-pitiavana no niteraka ity vono olona ity. Nisaraka mantsy io tovovavy io sy ilay olon-tiany ary efa nozaraina ny entana nitambaran’izy ireo. Tsy nahazaka izany anefa ilay lehilahy fa narahiny tany am-pakana rano ilay tovovavy ary notaperiny ny ainy. Rehefa vitany izay nataony dia nihazakazaka tany an-tanana namonjy ny biraon’ny kaominina ity farany . Fotoana fohy taorian’izany dia tonga nanatona ny biraon’ny kaominina ihany koa ny havan’ilay tovovavy maty ka teo no nanoloran’ilay lehilahy tena mba hovonoina ihany koa amin’izay hono samy maty izy roa mpifankatia. Efa eo am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana moa ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT