Sosialy

Tsy mitanila, ady amin’ny kolikoly,… Nitosatosaka ny fanomezan-tokin’ny Minisitry ny Fitsarana


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Tontosa omaly 22 febroary 2023 ny fifamindram-pahefana¬ teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka¬na, Ministry ny Fitsarana teo aloha,

Atoa Rakotozafy sy ny minisitra vaovao Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Hanohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny Fitsarana ny Minisitra vaovao, araka ny vina napetrany sy noresahany. Nanambara fa hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay velirano faha-3 napetraky ny filoham-pirenena ary tsy handefitra mihitsy; hamerina ny hasin’ny Fitsarana; hametraka ny fanavaozana sy fanamafisana ny fandraharahana ara-pitsarana; hametraka ny fahaleovantenan'ny fitsarana ho Fitsarana manakaiky vahoaka ary tsy mitanila. Nanentana ny rehetra izy mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy, ary hifarimbona amin’ny ezaka izay ho atao. Manana tamberin’andraikitra¬ amin’ny vahoaka isika hoy izy ka tokony ho fialofan’ny mandinika sy azo hiankinan'ny rehetra ny Fitsarana. Misy ny dosie mafampana, ka nilza fa tsy handefitra, ary raisina ny fepetra mifandraika amin’izany. “Rehefa tany tan-dalàna, na iza na iza manao ny tsy mety dia tsy maintsy sokafana ny fanadihadiana. Tsy misy an’izany hoe: fanavakavahana, satria tany tan-dalàna, hihatra amin’ny rehetra ny tany tan-dalàna. Rehefa misy ny fihoaram-pefy sy tsy fanarahan-dalàna dia tsy maintsy raisina ny fepetra”, hoy io Minisitra io, izay nilaza fa hamafisina ny ady amin’ny kolikoly. Nambarany fa ny fahaleovantenan’ny fitsarana dia voalaza ao anatin’ny satan’ny mpitsara. Manana fahaleovantena fa tsy midika fa afaka mihoa-pefy. Nampitandrina ihany koa io Minisitra io, fa mizaka ny vokany ihany koa izay mihoa-pefy amin’ny famoahana zavatra manoso-potaka olona. Momba ny fitakian’ny mpiraki-draharaha, hisy ny fihaonana amin’ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha. Betsaka ny toky nomen’ny Minisitra vaovao ka dia miandry ny tena fivadihany ho asa izany ny rehetra? Raha resaka kolikoly, afera maloto, fanodinkodinana volam-panjakana,… dia ao anatin’izao Fitondrana izao angamba no ahitana betsaka indrindra. Maro ireo dosie maloto niniana nampatoriana hatramin’izay ka azo heverina ve ny hifohazany sa hijanona amin’ilay hoe: mandeha ny fanadihadiana mandava-taona? Ny toky fitaka fa ny atao no hita, ka dia samy miandry izany ny rehetra!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT