Misy amin’ireo sekoly tsy miankina no manery ny ray aman-dreny handoa saram-pianarana. Ny 1-6 aprily no fotoana hitakiana izany ho an’ny ankamaroan’ny sekoly.
Miditra amin’ny tapa-bolana faharoa anefa ny fiatoan’ny fampianarana izao noho ny fihibohana, araka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. 14 ny sokajin’olona nambaran’ny fanjakana fa hanaovana tohana ara-tsosialy: mpamily taksibe sy ny resevera, mpivarotra amoron-dàlana, zokiolona, fianankaviana sahirana, mpanasa lamba, mpivaro-tena,… Misy amin’ireo aza no nampiaka-peo fa tsy nahazo akory toy ny mpivaro-tena izay efa tena niseho tarehy. Efa mariky ny fahasahiranana sy fijaliana miantraika any anaty vilany matoa sahy miseho tarehy izy ireo. Ny mpamily sy ny mpanampy azy maro no mitaraina fa ampahany ihany no nahazo. Ny eny amin’ny fokontany savoritaka tanteraka ny fizarana, ary maro no nilaza fa nanjaka ny kolikoly, raha tsy hilaza afatsy ny savororo teny Antohomadinika. Saika ny avy amin’ny sehatra tsy marinara-dalàna avokoa ireo nanaovana tohana, fa ahoana ny an’ny sehatra tsy miankina? Marina fa nisy ny firesahan’ny filoha tamin’ny vondron’ny mpampiasa samihafa ka hisian’ny fanalefahana ara-ketra 115 miliara ariary tsy hiditra amin’ny fanjakana ho sandan’ny tsy fandroahana mpiasa. Maro anefa ny orinasa efa mandroaka mpiasa. Misy ny efa tapaka karama. Ny 80% amin’ny mponina an-tanàn-dehibe mpanofa trano avokoa. Ny fitakiana hofan-trano mandeha kanefa ny vola tsy misy. Tsy ireo sokajin’olona 14 ihany, fa ny rehetra no sahirana. Ny manan-katao na ny mpanan-karena mety betsaka ny tahiry, fa inona no vahaolana ho an’ireo tena sahirana sy ireo sokajiana ho antonontony na “classe moyenne”? Tokantrano 240 000 no nambara fa hisitraka ny tohana ara-tsosialy eto an-dRanivohitra, kanefa ny mponina aza efa 4 tapitrisa any ho any. Ny any amin’ny firenen-kafa toa an’i Bénin any Afrika, dia nilaza mazava fa tsy manam-bola hahafahana manao fanibohana ny vahoaka ny fanjakana. Inona no azon’ny fanjakana hanampiana ny rehetra satria tena ambony be ny risika hisiana fipoahana ara-tsosialy? Sarotra io ary Tsy maintsy hametrahana paikady mazava tsara no sady haingana ny fanatanterahana azy satria eo menomenona be any anaty fiarahamonina any.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.