Tsy manan-kialofana sy mpangataka eto Iarivo

Mahatratra 15 000, hananganana toeram-pandraisana…


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Tsikaritra eto Antananarivo amin’izao fandraisana ny Fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina

izao fa tsy dia tazana sy tsy hita eny amin’ireo toerana nahazatra azy ireo tsy manan-kialofana sy mpangataka eny an-dalambe na « 4mi », hoy ny fiantson’ny besinimaro azy. Navondrona amina toerana iray ireo tsy manan-kialofana miisa 15 000 voaisan'ny kaominina, raha ny tatitra. Hiverina amin’ny mahazatra ve izy ireo aorian’ny COI ? Hisy fananganana toeram-pandraisana na « centre d’hébergement » ho an’ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo, hahafahana mandray azy ireo, ary hasiana jiro sy toera-pidiovana mba hitandroana ny fahadiovana, raha ny nambaran'ny ben'ny tanàna, Ramanantsoa Harilala ny talata lasa teo. Nambara fa tsy natao hipetrahana mandrakizay anefa izany fa mandra-piharin'izy ireo amin’ny fiainana. « Azo atao ny mijery manokana ireny ankizy ireny. Raha tsy jerentsika dieny izao izy ireny dia ho lasa feno olona tena monina ny mipetraka amina toerana iray izay tsy natokana ho amin'izany ny tanàna'', hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa. Namafisiny fa misy hatrany ny fanentanana azy ireo, ary misy koa ny ''accompagnement'' mba hialan'izy ireo amin'ny fahazaran-dratsy, hahafahana mitazona ny fahadiovan'ny tanàna. Andrasana indray izany hoe : tena ho voatazona sy ho voahaja araka ny fanambin’ny Kaominina ve ny fandaminana sy fanajariana natao sa sanatrian’ny vava ho zary mandalo fotsiny fa hiverina ny korontana vao vita ny fampiantranoana vahiny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT