Sosialy

Tsy mahazo mivoaka ny trano Tsy hisy taksibe miasa manomboka anio


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Mijanona any an-trano avokoa ny rehetra. Misy fepetra maro tsy maintsy hapetraka. Mijanona tanteraka ny fitateram-bahoaka an-tanàn-dehibe (Taxi, taksibe,…) sy ireo mampifandray an’Antananarivo sy ny faritra, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

 

 Ny fitaterana entana irery ihany sisa afaka mandeha. Hapetraka ny “barriière sanitaire” manerana an’Antananarivo sy manerana ny Nosy. Ireo toeram-pivarotana ny entana andavanandro ihany no misokatra: super-marché, Grossites, epicérie, tsenam-pokontany (6 maraina -12 ora atoandro); Ny fivarotam-panafody, solika, banky dia misokatra. Mihantra ny tsy fahafaha-mivezivezy amin’ny alina amin’ny 8ora alina-5 ora maraina. Mikatona avokoa ny sampan-draharaham-panjakana ankoatra ny Fitsarana, fahasalamana filaminam-bahoaka. Ny Jirama, haino aman-jery, toeram-panaovan-gazety dia misokatra ihany koa. Anjaran’ny mpampiasa no mandrindra sy mametraka lamina ho an’ny orinasa tsy miankina hahafa-mandrindra azy manaraka ny lamina napetraka. Antananarivo, Analamanga ary toamasina aloha hatreto no mihantra ny fepetra, fa ho avy ny an’ny faritra, arakaraka ny zava-misy. Hiara-Hiasa sy mametraka amin’ny governora, prefe, ben’ny tanàna,… ny fanatanterahana izany.

 

Somary mampametra-panontaniana etsy andaniny ny mahakasika ireo mpiasan’ny hopitaly. Misy fepetra manokana raisin’ny fanjakana ve amin’ny fitaterana azy ireny? Manomboka maro mantsy izy ireo nametra-panontaniana taorian’ny fanambaran’ny filoha. Asa lehibe no miandry azy ireo eo anatrehan’ny zava-misy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT