Tsy fisian’ny Governora ao Amoron’Imania

Velon-taraina amin’ny tsy fandraisan-karama ireo mpiasa


  • Alarobia 21 Febroary 2024

2 volana amin’ity febroary ity, raha toa mbola tsy voatendry ny governora vaovaon’ny

faritra Amoron’Imania, no tsy nandraisan’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra karama, hoy ny fampitam-baovaon’ny solontenan’izy ireo omaly. Niangavy ny hanendrena izany governora izany faran’izay haingana moa izy ireo noho ny fahatsiarovana ho mijaly manoloana toe-draharaha. Tsy misy afaka manao sonia ny famoahana karaman’ireo mpiasa, hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa voatendry ho minisitry ny mponina sy ny firaisankina moa ny governora teo aloha, Haingosoa Fomendraza Elisette. Taratry ny kitoatoa amin’ny fomba fiasan’izao fitondrana izao ve sa porofon’ny tsy fahaiza-mitantana toy ny tsy naha tontosa ireo fifidianana ben’ny tanàna tany amin’ireo toerana mbola tsy nahavitàna izany na koa ny fanendrena ireo sekreteram-panjakana miisa 11 tsy mety tanteraka hatramin’izao sa izany rehetra izany mitambatra? Porofon’ny tsy fisian’ny tetibola enti-miasa, eny, fa na dia anodinana ny raharaham-panjakana anatiny fotsiny koa ve? Inoana fa hivaly tsy ho ela izany rehetra izany fa dia velon-taraina amin’ny tsy fandraisan-karama aloha izany ireo mpiasa any Amoron’Imania any.
J. Mirija
Légende : Tsy mbola voatendry ny governoran’Amoron’i Mania taorian’ny nanendrena an-dRtoa Haingosoa Fomendraza Elisette ho Minisitry ny mponina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT