Tsy fisian-drano eny Amboditsiry

Miantraika amin’ny fahasalaman’ny mponina


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

raha toa taloha ka tamin’ny 9 na 10 ora alina no niverina ny rano. Ankehitriny, talohan’ny nisian’ireny grevy tety ireny ilay izy lasa niitatra amin’ny 12 alina. Ianao efa sady reraky ny asa no tsy maintsy miari-tory miandry fiverenan-drano indray satria amin’ny 3 na 4 maraina indray dia efa tapaka ilay rano. Miantraika amin’ny fahasalaman’ny mponina, mazava ho azy, ny fiainana tsizarizary toy izany ary rariny ireo mponina raha vao mainka tezitra nony hoe ity sinibe na «bombonne» ity no atao vahaolana satria rano any an-tranony miverina no antoky ny fahasalamany fa tsy rano voafetra ao anatin’iny «bombonne» na «tanker», hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT