Sosialy

Tsy fisian-drano am-bolana maro Nitroatra ny mponin’Antsahameva Atsinanana


  • Zoma 15 Janoary 2021

Ela niaretana ny mponina eto Antsahameva Atsinanana, fokontany Andraisoro ka voatery nitroatra,

 

 

 

 

 hoy ny fampitam-baovao tany an-toerana. Am-bolana maro no tsy nandeha intsony ny paompy. Misy ihany vahaolana vonjy maika avy amin’ny Jirama amin’ny fanaterana rano saingy tsy ampy sasaka izany ary misy ireo toerana tena tsy mahazo mihitsy fa tsy omby ilay fiarabe ny lalana. Ny ataon' ny mponina dia manakarama ireny fiara kely ireny ka mandeha maka rano any amin’ny faritra hafa. Vidiana 1000 ariary ny zerikanina iray ary mbola ifandrombahana. Vahaolana maharitra sy matotra dia ny fandefasana indray ireo paompy ho an' ny rehetra, hoy ny sosokevitra. Mbola hitohy ny fitokonana raha toa ka ho be marenina sy tsy hikaro-bahaolana ny Jirama, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT