Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka Lasibatra ny 65 %-n’ny ankizy ao Matsiatra ambony


  • Talata 27 Novambra 2018

Tafakatra 65 % ny tahan’ireo ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

 

Noho ity faritra ity voasokajy ho ambony  toerana, lavitry ny ranomasina no mahatonga izany, hany ka ambany ihany koa ny tahan’ny ioda amin’ireo tany fambolena any an-toerana. Mamokatra ihany ny mponina saingy tsy feno ny hery fiarovana ao anatin’ireo sakafo vokariny. Misy fiantraikany goavana amin’ny fahasalaman’ny mponina anefa izany,  indrindra fa ny ankizy raha araka ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’ireny ny tsy fahampian’ny lanja izay taratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka,  ny tsy fivelaran’ny ati-dohany, votsa saina ihany koa ilay zaza rehefa any am-pianarana raha ahiana ihany koa ny mety fisian’ny fahasembanana ara-batana. Ho an’ny olon-dehibe kosa indray dia mety hiteraka fahafahan-jaza izany tsy fahampian’ny ioda izany ho an’ny vehivavy,  mety ho momba ihany koa ny sasany raha tsy lazaina intsony ny aretina goitre. Mba hitandroana ny fahasalaman’ireo mponina any an-toerana ary dia hankalazaina ao Matsiatra ambony ny 28 sy ny 29 Novambra ho avy izao ny andro maneran-tany iadiana amin’ny tsy fahampian’ny ioda amin’ny vatana. Arahina fifanaovan-tsonia amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa izany hahafahana manatevina ny fanentanana. Mbola mijanona eo amin’ny 21 % mantsy ny tahan’ireo tokantrano Malagasy mampiasa sira sy sakafo misy ioda tamin’ny taona 1994.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT