Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka Lasibatra ny 60 %-n'ny ankizy ao Vakinankaratra


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Anisan'ny faritra mahavokatra ny ao Vakinankaratra nefa ahitana ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo midangana indrindra, ho an'ireo ankizy ny dimy taona.

 

 

 

 


Ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka no tena mahazo vahana amin'izay.  Raha araka ny fantatra mantsy dia tafakatra 60 % ny tahan'ireo ankizy voakasik'izany noho ny tsy fahaizan'ireo renim-pianakaviana misakafo mandritra ny fotoana hitondrany vohoka raha toraka izany ihany koa manomboka eo amin'ny fahenim-bolan'ilay zaza, fotoana  hampidirana ny sakafo tsikelikely ka hatramin'ny faharoa taonany. Amin'ny ankapobeny mantsy dia saika lany amidin'ny isan-tokantrano avokoa ireo sakafo feno hery fiarovana sy be otrikaina ka izay sisa ambiny eo na zavatra hafa no hanin'izy ireo sy ireo menaky ny ainy. Manampy trotraka izany ny tsy fahaizana mitrandraka ireo vokatra vaovao hahatonga azy ireny ho sakafo mahavelona. Mba hahafahana mampihena io taha io, indrindra ho fanatsarana ny fahasalaman'ireo ankizy madinika dia hotanterahina any an-toerana ilay tetikasa FAFI hoenti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo. Vola mitentina 22 tapitrisa dolara no hampiasaina amin'izany.  Faritra  valo  kosa no hahazo tombontsoa  ka anisan'izany ity faritra iray ity. Tanjona ny hahafahana mampihena ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka hatrany amin'ny 30 % latsaka ho an'ity faritra iray ity,  raha araka ny fanazavan'ny ofisialy nasionaly misahana ny tsy fanjarian-tsakafo na ny ONN.  Tsiahivina fa miteraka fahataran-tsaina eo amin'ny zaza ny tsy fanjarian-tsakafo.  Mety hahakilemaina azy ireny ihany koa sady mampihisatra ny  fitomboany. Nisy ny fampianarana sy fanentanana manokana ireo renim-pianakaviana tany amin'ny Faritry ny Vakinankaratra ny herinandro teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT