TSY FANJARIAN-TSAKAFO MITARAZOKA

Laharana faha-15 amin’ny faritra 22 Analanjirofo


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy any amin’ny Faritra Analanjirofo.

Ny 70%-n’ny ankizy raha kely no miaina izany. Any amin’ny laharana faha-15 amin’ny faritra 22 izy ireo ankehitriny ka ireo ankizy latsaky ny 5 taona no tena lasibatra sy mahita faisana vokatr’izany. Marobe ireo tsy ampy lanja raha araka ny loharanom-baovao azo. Eo ihany koa ireo lasibatry ny aretina matetika. Raha araka ny fantatra anefa dia anisan’ny Faritra tena mpamokatra sakafo Analanjirofo. Mamatsy ireo faritra hafa namana azy izy amin’ny alalan’ny vary, ny mangahazo, ny hazan-dranomasina…Najoro any an-toerana araka izany ny Filan-kevi-paritra handinika ny mikasika izany. Nomena toerana ihany koa ny mpanentana sy ny Renin-jaza mba hampianatra sy hanoro ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana any an-toerana mikasika ny fandrahoana sy fikarakarana sakafo maro loko sy ara-pahasalamana ho an’ny ankizy. Tsy ho an’ny Faritra Analanjirofo ihany moa fa faritra maro no mbola miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika indrindra fa ny ankizy. Mikendry ny hampihena ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo lavareny ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona hatrany amin’ny 25% rahateo ny ao anatin’ny 5 taona ho avy ny fitondram-panjakana. Enganie ka tsy ho lasa kabary ambony latabatra fotsiny izany.
Pati
Legende : Tsy ampy sakafo tahaka izao ny ankamaroan’ny zaza Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT