Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Anisan’ny tena lasibatra ny distrikan’i Beloha


  • Talata 30 Aprily 2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

any amin’ny distrikan’i Beloha. Vokatry ny fahasahiranana mahazo ny mponina ateraky ny tsy fihinanana sakafo ara-dalana no mahatonga izany raha eo ihany koa ny vesatry ny haintany. Olona miisa 1.250 vokatr’izany no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy mitarazoka any amin’ity distrika iray ity. Tonga tany an-toerana nijery ireo olona marobe ireo ny Sekretera Mpanantanteraka mpisolo toerana an'ny CPGU nanokatra izay nanolotra sakafo mafana ho an’ireo fianakaviana ireo. Raha araka ny fantatra dia haharitra 20 andro ny famahanana sakafo azy ireo. Na izany aza dia tsy vahaolana fohy ezaka tahaka izany no tena handrandrain’ny mponina any Atsimo fa vahaolana lavitr’ezaka avy amin’ny Fitondram-panjakana. Tsiahivina fa noho ny tsy fahampian’ny orana nifanesisesy tamin’ny fotoam-pamokarana teo aloha no antony mahatonga izao tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy izao. Manampy trotraka izany ny tsy fahaizana mamadika ireo zakafo misy any an-toerana ho lasa sakafo ara-pahasalamana.
Pati
Legende : Nandritra ny famahanana sakafo ireo mafana ireo olona tao Beloha Androy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT