Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika 4,9 % ny tahan'ny eny amin'ny faritra iva


  • Alarobia 12 Febroary 2020

4,9% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin'ireo faritra iva manodidina an'Antohomadinika, araka ny fanadihadiana

 

 

 nataon'ny Centre d'Accompagnement Social et d'Appui Nutritionnel (CASAN), eny Antohomadinika 3G Hangar, izay tantanan'ny ONG Action Contre la Faim. Araka izany dia tena ahitana trangana tsifanjariantsakafo tokoa eto amin'ny Faritra Analamanga, raha toa ka ny tapany atsimon'ny Nosy hatrany no matetika voaresaka. Isan'ny antony lehibe mahatonga ny tsifanjariantsakafo eny amin'ny faritra iva ny tsy fahampian'ny fahadiovana, izay mitarika aretim-pivalanana. Eo koa ny tsy fahalavorarian'ny trano honenana, izay miteraka aretin'ny taovam-pisefoana, araka ny fanazavana nomen-dRakotondraina Mialy, tomponandraikitry ny fandaharan'asan'ny CASAN eny Antohomadinika. Antony mampirongatra ny tsifanjariantsakafo ihany koa ny tsy fahampian'ny fikarakarana ny zaza, araka ny filàny amin'ny andavanandro. Zaza latsaky ny 5 taona sy reny bevohoka sy mampinono manodidina ny 120 isam-bolana no raisin'ity CASAN ity an-tanana, miparitaka amin'ny fokontany 15 isa, toa an'Ampefiloha Ambodirano, Anatihazo, Ambodin'Isotry... Tiliana ireo zaza tonga ao, anaovana fanadihadiana ny ray aman-dreniny hahafantarana ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-tsaina iainany, toroana hevitra amin'ny fomba fikarakarana sakafo isan-karazany sy miovaova, omena fanampin-tsakafo... Ny 10% amin'ireo zaza raisina an-tanana anefa no miverina indray, aorian'ny fahasitranany. Mbola hitadiavana paikady izany, hoy hatrany Rakotondraina Mialy. Tsara ny mahafantatra fa ny 7 hatramin'ny 14,5% isan-taona ny harin-karena faobe very eto Madagasikara, vokatry ny tsifanjariantsakafo. manodidina ny 3.384 miliara ariary isan-taona izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT