Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo Mahavoa ny 60 %-n’ny ao Vakinankaratra


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Tafakatra 60 % amin’izao ireo ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo ao Vakinankaratra.

Noho ny tsy fahaizana misakafo sy mampiasa ireo karazam-bokatra misy any an-toerana amin’ny ankapobeny no antony raha 47 % ireo ankizy lasibatra manerana ny Nosy. Mba hahafahana mampidina hatrany amin’ny 38 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mpahazo ireo zaza latsaky ny dimy taona eto amintsika aza hatramin’ny taona 2021 dia tanterahina ao Vakinankaratra ny androm-pirenena ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo andiany faha-14. Tonga nanokatra ny hetsika tany an-toerana omaly ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian. Nivoitra fa anisan’ny faritra tena mpamokatra i Vakinankaratra saingy tsy manana traikefa amin’ny fampiasana ireo sakafo miovaova sy maro loko ary be otrikaina ireo renim-pianakaviana any an-toerana. Nisy ny torohevitra nomena ireto farany. Olana maro no ateraky ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza toy ny tsy fahafahany mitombo tsara, ny fahataran’ny sainy…


Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT