Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo Mahatratra 49 % ireo ankizy lasibatra eto an-drenivohitra


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Mahatratra 49 % ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto Antananarivo Renivohitra no lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny kaominina sy ny Ong ACF na “Action Contre la Faim” izay nikaon-doha tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely, omaly.

 

 

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Ong « Action Contre la Faim (ACF) », teto an-drenivohitra tokoa mantsy tamin’ny volana mey sy jona lasa teo dia 49,3% amin’ireo  zaza latsaky ny dimy taona no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, raha 48% manerana ny faritra Analamanga (MICS2018) ary ny  4,5% amin’ireo zaza ireo dia tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Anisan’ny tetikasa ara-tsosialin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo, tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ilay fifanarahana antsoina hoe  :« Pacte de Milan » tamin’ny taona 2017. Tanàn-dehibe 199 maneran-tany no mitovy fomba fijery  nanao sonia ny fifanarahana, izay maneho fahavononana ara-politika amin’ny fananganana rafitra fiahiana ara-tsakafo maharitra ho an’ny tanàn-dehibe. Singa enina no heverina hapetraka mba handrosoana vahaolana azo tsapain-tanana amin’izany toy ny  fitantanana ara-tsakafo, ny fanjarian-tsakafo maharitra, ny famokarana sakafo, ny famatsiana ny fitsinjarana, ny fampitoviana lenta ara-tsosialy sy ara-toekarena ary fampihenana ny fako azo avy amin’ny sakafo. Marihina fa anisan’ny tanàn-dehibe 03 maneran-tany mitarika ny fanatanterahana ny paikady  famongorana ny tsy fanjarian-tsakafo voafaritra. Efa  manana toeram-pambolena ao Antanimena isika, araka izany. Tafakatra 106 ny mpamboly any an-tokantrano, 11 ny tetikasa fiaraha-miasa niarahana tamin’ireo Ong sy fikambanana raha mahatratra 30 isa kosa ny Epp efa manana toeram-pambolena hanomezana tohana ny ankizy.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT