Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara Zaza malagasy 1 amin’ny 2 no lasibatra


  • Talata 14 Aogositra 2018

Nosokafana omaly alatsinainy 13 aogositra tetsy amin’ny Hotely Le Pave Antaninarenina ny fanombohana ny fankalazana ny herinandro nasionalin’ny fampinonoan-dreny eto Madagasikara.

 

Natomboka tamin’ny famelabelarana arahina adihevitra izany ka nanazavana ny lohahevitra momba ny fampinonoan-dreny lavorary tokony homena ny zaza. Natsikafona tao ihany koa ny tombontsoa sy ny akony tsara azo amin’ny fampiasana ny nonon-dreny omena ny zaza. Rehefa izay dia nanentana hatrany ireo dokotera tompon’andraikitra ny amin’ny tsy tokony hanapahana ny nono mihitsy hatramin’ny faharoa taonan’ny zaza. Tsy mahasolo ny nonon-dreny mihitsy ny ronono na zavatra hafa ampiasaina, hoy ny Dokotera Radimbison Blandine nanamafy izany. Hiteraka fahasalamana ara-batana sy fitomboana ara-tsaina hatrany ho an’ireo zanaka ho avin’ny firenena izany. Marefo ary mety ho tratra ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny zaza tsy ampy sy tsy minono amin-dreniny. Nivoitra tamin’ity dinidinika ity ihany koa fa mampinono zanaka ny reny Malagasy saingy tsy tonga amin’ilay fenitra mahalavorary azy. Tanjona ny hampiakatra ny tahan’ny fampinonona lavorary ho 65% amin’ny taona 2021 satria tsiahivina fa mbola 41,9% amin’izao fotoana. Hitohy hatrany ny hetsika ary tsy hijanona eto Antaninarivo Renivohitra ihany ny fanentanana fa hitohy any amin’ny faritra manerana ny Nosy. Hotanterahina any Ambositra ihany koa moa ny fankalazana noho ny fahambonian’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana izay mahatratra hatrany amin’ny 47,3%. Araka izany dia 1 amin’ny zaza Malagasy 2 any amin’io faritra io dia iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo avokoa.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT