Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara Misy akony ratsy amin’ny toekarena


  • Zoma 29 Jona 2018

Nampahafantarina tamin’ny alarobia teo tetsy amin’ny Ofisy Nasionalin’ny Fanjarian-tsakafo (ONN) Anosy ny fisian’ny andro iraisam-pirenen’ny fanjarian-tsakafo ny 6 sy 7 jolay ho avy izao.

 

 Hotanterahina any Antsirabe ny hetsika satria tena mbola avo ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny faritra Vakinankaratra. Miteraka sakana amin’ny fitomboana ara-batana ny tsy fanjarian-tsakafo  ary tsy mampivelatra ny ara-tsaina ihany koa. Hisy ny fanentanana lehibe amin’io fotoana io ary hampahafantarina ny maro ny asa sy ny fandraisan’andraikitra ataon’ny mpisehatra rehetra amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankoatra izay dia hentanina ihany koa ny vahoaka ny amin’ny fahazarana ny amin’ny sakafo tokony hohanina, indrindra ny amin’ny kalitao. Rehefa misitraka tsara ny sakafo sahaza sy tsara kalitao mantsy ny fianakaviana dia tsy ny olana ara-pahasalamana ihany no voavaha fa hisy akony lehibe amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena izany. Hihena ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, hisy akony amin’ny fivelaran’ny atidoha sy ny fanabeazana, ny asa andavanandro ary ny  famokarana izay mampandroso ny toekarena manontolo ny fahalavorarian’ny sakafo hohanina.

Tsiry


  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT