Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara Hahena hatrany amin’ny 32%


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Raha niompana tamin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mpahazo ny zaza hatrany ny ady nataontsika teto Madagasikara tato anatin’ny folo taona lasa izay dia haompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka indray izany manomboka izao.

Raha ankizy latsaky ny roa taona lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka daholo mantsy, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo no hananantsika eto Madagasikara dia mazava ho azy fa tsy afaka handray anjara amin’ny  fampandrosoana ny firenena mihitsy izy ireny.  Tsy ho hita taratra ao aminy akory mantsy ny haranitan-tsaina sy ny fahavitrihana, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nohavaozina ny politikam-pirenena hoenti-miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika. Natolotra ny mpiara-miombon’antoka tetsy amin’ny hotel Colbert izany omaly mba ho tombontsoan’ny rehetra. Tsiahivina moa fa raha 47 % ireo ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo manerana ny nosy dia efa nidina ho 38 % ankehitriny. Tanjona anefa ny mbola hampihena izany hatrany amin’ny 32 % ao anatin’ny folo taona ho avy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT