Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika Hamoaka 2,3 miliara dolara ny Banky Iraisam-pirenena


  • Alarobia 29 Jona 2022

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.

Hanampiana ireo firenena any Afrika amin’ny tapany Antsinanana sy ny manodidina ny tapany atsimo, mba hanamafisana ny paikady fiatrehana ny olana ara-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’izao. Isan’ny tena mizaka ny hamafin’izany rahateo aty Afrika. Hanatsarana ny paikady hanoherana ny krizy ara-tsakafo io, ka tafiditra amin’izany ny fanamafisana ny fanairana sy ny famolavolana vahaolana haingana, ny fanohanana ny famokarana, ny fepetra ara-barotra maika, ny tahiry ara-tsakafo hiatrehana ny hamehana,… Raha ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena, mahatratra 22,7 tapitrisa ny olona lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo any Ethiopie noho ny haintany mahery vaika mbola tsy fahita hatrizay. Ny eto Madagasikara, mahatratra 7,8 ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny any Atsimo fotsiny vokatry ny haintany sy ny hanohanana tsy mety resy efa an-taonany maro be, ka isan’ireo hisitraka amin’ity programa ity. Tsy fantatra mazava aloha hatreto hoe : hisitraka ohatrinona amin’ny 2,3 miliara dolara isika ? Mbola vao tapa-bolana teo izay izay no nisian’ilay tatitry ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena eto fa 7,7 tapitrisa ireo Malagasy zara raha misakafo ankehitriny raha toa ka 6,3 tapitrisa izany 3 volana lasa. Voasokajy ho isan’ny firenena marefo indrindra isika. Mila paikady mahomby izay tsy fanampiana avy any ivelany ihany, fa indrindra ny politikam-panjakana mazava. Ny an’i Rwanda izao tamin’ny fiandohan’ity volana ity no nanambaran’ny Filohany Paul Kagame izay nampisaintsainany an’i Afrika hoe: “Tsy azo ekena raha i Ukraine izay tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no mamelona ny kaontinanta Afrikanina misy vahoaka 1,4 miliara. Mampanantena ny vahoaka Rwandaise aho fa hahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika mialohan’ny 2025. Nomeko alalana ny fividianana fitaovam-pambolena 1 miliara dolara, ary ihany koa ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny amin’ny indostria ara-pambolentsika”, hoy izy. Aiza ho aiza amin’izany isika? Kianja no nihazakazahana, teleferika no imatimatesana,… ary efa herintaona tsy hialan’ilay Fanjakana vao manao fikaonan-doha momba ny fambolena. Efa 13 taona lasa anefa izay no efa nampiharina teto io ataon’i Kagame io, fa nohafokaina sy nopotehina kanefa izao ekena ihany fa any no tena làlana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT