Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Nanome 6 tapitrisa dolara ny Koreanina


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Nanome fanampiana mitentina 6 tapitrisa dolara hoenti-mitsinjo ara-tsakafo ny mponina miisa 51 000 any kaominina Itampolo sy Fotadrevo Distrikan’Ampanihy ny Repoblika Koreanina Tatsimo amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha Koreanina momba ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na ny KOICA.

 

 

 

 

 Tontosa omaly 30 jona ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anelanelan’ny 2020-2024, ka nisolo tena ny firenena Malagasy ny Minisitry ny raharaham-bahiny Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, ary ny Ambasadaoro Sem Lim Sam-Wooo kosa no nisolo tena ny Koreanina Tatsimo, ary teo ihany koa ny Solontenan’ny Sampandraharaha maneran-tany momba ny sakafo na ny PAM Sem Moumini Ouedraogo. Tanjona ao anatin’ny tetikasa ny hanatsarana ny fanjarian-tsakafo mitarazoka indrindra fa ho an’ny ankizy any amin’ny faritra Atsimo, fisitrahana sakafo ara-dalàna sy ara-pahasalamana,... Miara-misalahy ao anatin’ny fanatanterahana io tetikasa nampisalorana ny anarana hoe « Miaro » io ny Minisiteran’ny fahasalamana, Minisiteran’ny fanabeazana, ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana toy ny FAO, OMS, UNFPA, ary ny ONG samihafa eto an-toerana sy iraisam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT