Sosialy

Tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Kaominina 73 no mila tohana ara-tsakafo


  • Alarobia 22 Mey 2019

Miisa 8 ireo distrika tena manana olana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, tamin’ny taona 2018, vokatry ny tsy fahampian’ny orana sy ny andiana fanday “chenille legionnaire”.

 

 

 60%-n`ny vokatry ny fambolena no tsy vanona. Raha ny tatitra avy eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary (BNGRC), nandritra ny telo volana voalohan’ity taona 2019 ity dia kaominina 24 amin’ireo 154 no voalaza fa mila tohana ara-tsakafo, ary maika izany, ho an’ny kaominina miisa 73. Noho izany indrindra dia miofana mandritra ny 5 andro ny “groupe sectoriel Nutrition”, izay mandrindra an’ireo hetsika hiadiana maika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika ka iarahana amin`ny ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny UNICEF. Tanjona ny hahaizan’ireo olona niofana ireo handrindra tsara ny hetsika rehetra hatao hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny hamehana, ka vehivavy 460.000 isa sy ankizy latsaky ny 5 taona miisa 400.000 no hovonjena. Manodidina ny 40 ireo mandray anjara amin’ny fiofanana, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT