Olana 5 isam-bolana raha kely no tonga eny amin'ny Fokontany iray
Olana mavesatra sedrain'ny tokantrano Malagasy maro amin'izao ny fandoavana hofantranon'olona. 50.000 ar isam-bolana raha kely no tsy maintsy aloha ho an'ny efitrano iray tsy misy jiro sy tsy misy lakozia raha mahatratra 400.000 Ar ireo mba metimety misy trano fidiovana sy fivoahana ao an-tokantrano. Mitsaoka hofantranon'olona avokoa ny ankamaroan'ny mpanofa amin'izao raha araka ny fanazavan'ny sefom-pokontany iray eny Atsimondrano eny nanaovana fanadihadiana. Olana miisa 5 isam-bolana raha kely no tsy maintsy vahany mifandraika amin'izany izay nomarihiny fa tena manahirana tokoa. Misy mantsy ireo mpanofa mitaona entana moramora isan'andro tsy misy mpahita ka faranany amin'ny alina ny famoahana ireo mavesatra toy ny fandriana. Misy indray ireo tsy mitaona entana no sady tsy mahalala miresaka amin'ny tompon-trano raha misy fahatarana fa mihainohaino fotsiny ary mahavita miady mihitsy rehefa takiana. Ho an'ireo mpanofan-trano hafa indray dia manaiky handoa ny hofan-tranon'olona tsy voalohany izy ireo saingy manjavona tanteraka raha vantany vao afaka ao amin'ilay tanana....Nambaran'ity sefom-pokontany iray ity fa vokatry ny hasarotan'ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Tsy maharaka intsony ny vola tonga eo am-pelatanan'ny isan-tokantrano hany ka lasa manaotao foana ny ankamaroany. Toro-hevitra omeny ireo olona mivelona amin'ny hofantrano moa ny hoe : aleo fidifidiana ihany ny mpanofan-trano raisina sy ny hoe : rehefa hita fa tsy hahaloa hofantrano ny mpanofa iray dia aleo handraisana fepetra.
Pati
Légende : Bé dia bé ireo olona mitaona entana miala rehefa faran'ny volana tahaka izao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.