Sosialy

Tsy fananan’asa mianjady amin’ny tanora Ny traikefa no mbola tena lesoka


  • Talata 17 Jolay 2018

Misy ny asa eto amintsika, hoy ny “Management Ressources Humaines” (MRH) omaly fa anisan’ny vato misakana tsy hahafahan’ireo tanora misitraka izany ny tsy fananany traikefa.

Voakasika avokoa na ireo tsy manana diplaoma aza, antony hikarakarany indray ilay “journée de l’emploi et de formation” andiany fahafolo hotanterahina eny amin’ny village Voara Andohatapenaka ny 19 sy ny 20 jolay ho avy izao. Tranoheva miisa 30 no handray anjara ao, hoy Atoa Mohamedaly Rafik, izay samy manana ny maha izy azy avokoa. Hahatratra 2.000 isa ireo karazana tolotr’asa  omena ireo tanora ho avy eny an-toerana ka hahazo tombony hatramin’ireo tsy manana diplaoma. Ny commercial, ny resaka informatika, ny comptabilité sy ny finance amin’ny ankapobeny no tena betsaka hitadiavana olona amin’izany.  Raha tsiahivina, nahatratra 3.413  ireo tanora nahazo asa avy tamin’ity hetsika ity tamin’ny taon-dasa raha nahatratra 9.563 ny tolotr’asa. 34.500 kosa ny fangatahan’asa. Ankoatra io dia ho hita eny an-toerana ihany koa ny ivontoeram-panofanana ASFIFO Formation hanofana ireo tanora, eny fa na dia ireo efa am-perinasa aza. Enim-bolana no faharetan’izany ka roa andro ao anatin’ny herinandro no miofana ny tanora iray raha hiasana kosa ny telo andro ambiny.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT