Miisa 297 ireo fitarainana voarain’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara ny taona 2019 sy 2020, raha ny tatitra nataon’izy ireo teo anivon’ny antenimierandoholona etsy Anosikely omaly.
Efa voadinika ny 70%n’ireo ary eo an-dalam-pijerena ny 30% ankehitriny ity rafitra niorina ny taona 2018 ity. Misy hatrany ny fidinana an-tsehatra ijerena ireo zava-misy, raha ny fanazavan’ny filohan’ny HCDDED, Navony Pierre Lenoble, ary voadidin’ny lalana laharana 2015 – 001, nivoaka ny 12 febroary 2015, hanao tatitra isan-taona ato amin’ny lapa maitso izahay. Isan’ireo nidinana ifotony i Alaotra Mangoro, Sofia, Diana, Boeny, Atsinanana, Analanjirofo. Ny 118 isa ireo dosie voadinika ka 45 tao Moramanga ary 73 tao Ambatondrazaka. Miisa 25 ireo raharaham-pitsarana mikasika fandikana zon’olombelona. Raha fehezina dia mikasika izay resaka zon’olombelona izay avokoa ny 54,90%n’ireo fitarainana voaray. Resaka tany tan-dalana ny 38,52% ary demokrasia ny 7,37%, raha ity tatitra ity hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.