Sosialy

Tsy fampiharana fisondrotan-karama Manomboka misy ny mpiasa migrevy


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Nitokona nanakan-dàlana ireo mpiasa ao amin'ny orinasa afaka haba na “zone franche” Grove Mandrimena industriel Madagascar eny Andoharanofotsy omaly.

Mitaky fampiakarana karama, araka ny lalàna sy didim-panjakana navoakan’ny Fitondrana mahefa ireo mpiasa. Tondroin’izy ireo ho manao be marenina ny mpampiasa satria efa voalaza fa 250 000 Ar ny karama farany ambany kanefa misy mandray latsak'io ao amin'ity Orinasa ity, hoy ny fanamarihana. Ela loatra ilay “rappel”, karama tsisy fisondrotana, ny asa anefa mafy, mijaly ny mpiasa madinika, hampiditra mpianatra izahay kanefa ny “rappel” amin’ny septambra vao lazaina havoaka, hoy ireo mpiasa. Manomboka mitroatra ny mpiasa noho ny zava-misy. Inona ny andraikitry ny Fanjakana satria lasa mampiady ny mpiasa sy ny mpampiasa ilay izy. Tsy misy omen-tsiny satria rariny dia rariny raha mitaky fiakarana ny mpiasa, saingy mety ho manana ny fahamarinany ihany koa ny mpampiasa satria tsy afaka handoa-danitra. Misy ny fepetra nolazain’ny Fanjakana dia ny tsy fandoavan’ny mpampiasa latsakemboka any amin’ny CNaPS na ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy, saingy mety ho olana ihany koa io ho an’ny orinasa izay betsaka no tsy ara-dalàna, tsy misoratra mazava any amin’ny CNaPS,… Na voasoratra any anaty tetibolam-panjakana aza fa 40 miliara Ar ny vola natokan’ny Fanjakana ho fanonerana ny latsakemboka tsy alohan’ny orinasa any amin’ny CNaPS, dia mijanona ho resaka ambony latabatra. Mety ny 80% amin’ny orinasa no tsy manaja sy tsy miraharaha izay fisondrotan’ny karama farany ambany ho 250 000 Ar. Ny sokajin’ny mpiasa mikarama ambonin’io moa dia niniana natao manjavozavo, ka tsy misy fiakarana izany ny ankamaroany. Lasa fampiadiana ny mpampiasa sy ny mpiasa ilay fanapahan-kevitra nireharehan’ny Fanjakana. Ny an’ny mpiasam-panjakana izay amin’ny alalan’ny volam-bahoaka ny hanaramana azy anefa nanaovana pi-maso, nakarina ary nofaritana mazava tsara ny taham-pisondrotana, efa nihatra nanomboka ny volana may. Izany ve tsy Fanjakana miangatra? Izany ve no rariny sy hitsiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT