Sosialy

Tsy fahita hatramin’izay Ritra ny reniranon’i Mangoky


  • Zoma 05 Novambra 2021

Ritra ny reniranon’i Mangoky ao Betroka, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny fitantana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC, Paolo Raholinarivo.

 Tranga mbola tsy nisy hatramin’izay io, hoy ny fanamarihany. Miova ny toetr’andro, ripaka ny ala, isika ihany no mibaby ny vokany. Tokony hisy fepetra raisina haingana fa raha mitohy izao ho sahirana isika, hoy hatrany ny tenany. Eo foana moa ilay mampametra-panontaniana hoe fepetra inona ihany izany no mbola tsy hita tao anatin’izay atrikasa marobe nisy teto amin’ny firenena izay na teo amin’ny resaka rano ion a tontolo iainana na hafa? Tsy efa tany amin’ny taona 1970 tany ho any ve no nisian’ny fananarana tsy hanao tavy sy handoro tanety, ohatra? Maninona no hatramin’izao no tsy mety voafehy izany fa vao mainka mirongatra? Tsy ny mpitondra isan’ambaratonga ve no tokony hitarika amin’izany hoe fanabeazana ara-tontolo iainana izany ary tsy vitan’ny hoe manabe fehy manabe amin’ny fomba efa lany andro intsony fa mba mitady vahaolana mifanaraka amin’ny toetr’andro sy zava-misy amin’izay ?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT