Tsy fahazoana ny fanampian’ny Fanjakana

Trongisin’ny olona ny sefom-pokontany ao Madera Namontana


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Raikitra ny romoromo tetsy amin’ny Fokontany Madera Namontana omaly tapak’andro

maraina noho ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Filoham-pokontany sy ny mponina. Ampangain’ireo olona ao amin’ny faritra iadidiany ho tsy miady ho an’ny vahoaka ny sefom-pokontany, ka anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny resaka fikirakirana ny antontan-taratasy ahafahana mahazo ilay jiron-dRajoelina, ankoatra ireo fiampangana samihafa. «Tsy misy zavatra mandeha amin’izay laoniny, tsy mba mahazo izay zavatra avy amin’ny fitondram-panjakana izahay rehefa misy zavatra zaraina tao anatin’ny 10 taona nitondrany, olona tsy mipetraka eto, ka takianay ny fialany,… », hoy ny tabataban’ireo olona. Ny taratasy fanamarinam-piarahamonina dia sandaina 700Ar, ny karinem-pokontany volomboasary dia lazain’izy ireo fa misy ny hitakiana 15000Ar. Raha nandeha naka ny jiro tany Ampefiloha izahay dia tsy nahazo fa hoe : tsy tonga manao sonia ny Filoham-pokontany, hoy hatrany ireo olona. Raha manana olana ao an-tokantrano ka mandeha mitaraina any amin’ny fokontany dia mandoa vola 5000Ar isaky ny mpitory na ny toriana,... Betsaka ny adidy ara-bola, kanefa mba tsy misitraka ny mponina, fa rehefa misy fizarana dia asaina makany Anosibe, Angarangarana,… hoy hatrany ireo olona. Naneho fa tsy misy zavatra milamina ao amin’ny fokontany, tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana satria vao afak’omaly izao dia efa nisy ny fanendhana. Tsy teo an-toerana intsony moa ny sefom-pokontany tamin’ny fandalovana teny, ny polisim-pirenena kosa no tonga niditra an-tsehatra nisoroka ny mety ho fihoaram-pefy. Eo ny mety ho olana manokan’ny mponina amin’ny lehiben’ny fokontany, fa rehefa zohiana dia ny tsy fisitrahana ny tombotsoa avy amin’ny mpitondra no isan’ny olana satria nandeha ny fampanantenana samihafa. Ny resaka jiro isan’ny hampitangonana olona io ohatra : moa ve tena afaka ny hahazo ny rehetra sa ampahan’olona ihany ary inona no fepetra ? Lasa ny vahoaka sy ny mpitantana eny amin’ny fokontany no ampiadiana ? Hafatratra amin’ny fokontany ny rihitra ary tsy ny eny Madera Namontana ihany fa betsaka no misy tahaka izao. Tena vahaolana ve ny fampanantenana zavatra hozaraina amin’ny olona kanefa tsy ny rehetra no mahazo ? Izao ve no vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena eo anatrehan’ny olana mahazo ny vahoaka sy firenena ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT