Nidina an-dalambe ny mponina teny Ambohijanaka omaly noho ny fisitrahana vatsy tsinjo sy tosika fameno. Nahazo Bongatsara, Andoharanofotsy, Ankaraobato, Ifarihy,…
fa izahay voadingana tao anatin’ny 5 volana sy tapany, ka na CVO aza tsy nandalo teto, hoy ireo mponina izay naneho fa tsy misy mpijery sy tsy misy mpihaino. Nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana teny amin’ny By Pass izy ireo, ka niditra an-tsehatra ny nandefa lakrimozenina ny mpitandro filaminana, raha ny fanazavan’ny mponina. Olona roa no nentin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa hoentina hifampiresaka any amin’ny Minisitera. Tratry ny vazavaza ihany koa ny ben’ny tanàna, ary noteran’ireo mponina hitaky ny anjara. Hisy ny fivoriana iarahana amin’ny solontenan’ireo mponina handaminana ny toe-draharaha sy ny lisitra hahafaha-misitraka ny fanampiana. Poizina ho an’ny firenena ny fitaizana vahoaka amin’ny fizarazaran-javatra mety hiteraka hakamoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.