Tahaka izao ny zava-nisy tany amin'ny fambolen-kazo tany Ankazobe omaly alahady 19 janoary. Nitaraina avokoa ireo olona nandeha namboly hazo satria ratsy sy tsy mazava ny fikarakarana.
Lalana adiny telo no mihazo any Ankazobe. Rehefa tonga tany dia mbola mandeha dian-tongotra nandritra ny 2 ora. Mihoatra izany raha nitondra zaza. Rehefa tonga tany an-toerana dia reraka avokoa ireo olona satria tena lavitra be ilay toerana. Ny andehanana tongotra ihany koa misy lohasaha sy honahona. Rehefa hanomboka ny fambolen-kazo dia tsy nisy angady fa dia izay teo no nifandimbiasana. Ny isa tena voavoly tany, raha be indrindra dia 45 000 ka hatramin' ny 50 000 zana-kazo, hoy ny loharanom-baovao iray. Ny isan'ny olona tonga tany dia 7000 isa teo. Samy nahitana solotena ny minisitera tsirairay avy. Ny sakafo nampanantenaina dia tsizarizary ary maro no tsy nahazo. Ny filoha Rajoelina moa nandeha Angidimby ka mety tsy hitany ny tena zava-niseho marina. Hatramin'ny 9 ora alina dia mbola an-dalana mody ireo mpiasa sasany. Nitaraina izy ireo ary tena nimenomenona hoe tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny mpikarakara dia ny Ministeran'ny tontolo iainana (MEDD) izany. Mbola fanontaniana mipetraka koa ny hoe iza no hikarakara izay vita satria ny nanomana ireo zana-kazo ireo aza faramparany teo dia ho olona nokaramaina daholo? Tsara ny mamboly hazo fa ilay mamitaka ny Filoha tsy mety hoy ny teknisianina satria dia mbola famahanan-dalitra indray no ilazana fa hoe nahavoly 1,2 tapitrisa zana-kazo satria dia tsy misy afa tsy 50000 isa izany raha be indrindra no voatsatoka teny Ankazobe . Taiza ny lesoka, iza no tompon’andraikitra, tsy ampy ve ny fanomanana sa nisy tsipy hoditr’akondro mihitsy tany ho any ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.