Sosialy

Tsy fahampian’ny kara-panondrom-pirenena Tsy andraikitry ny tranompirintim-pirenena, hoy ny taleny


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Mbola misy kaominina nandrenesana feo ihany tato ho ato fa tsy maharaka ny filan’ireo mponina feno 18 taona ao aminy ny isan’ireo kara-panondrom-pirenena voarainy.

 

Nanazava Randriamboavonjy Angelson, talen’ny tranompirintim-pirenena izay manonta azy ireny omaly ka nambarany fa tsy miankina amin’izy ireo velively ny tsy fahampian’ny kara-panondro voarain’ny kaominina. Ny mandray kaomandy  avy amin’ny minisiteran’ny Atitany no nambarany fa andraikitr’izy ireo ary ny manonta azy. Mikasika ny fahataran’ny  fanontana kara-panondro farany teo ka tsy nisiany nandritra ny volana maromaro dia nambarany fa vokatry ny dingana tsy maintsy narahina no nahatonga ireny. Ho an’ireo taratasy hanaovana kara-panondrom-pirenena dia nambarany fa  hafarana avy any ivelany izy ireny. An-taoniny maro ihany koa no kaomandy hatao fa tsy vitsivitsy ka tsy maintsy sambo no mitondra azy aty Madagasikara fa tsy fiaramanidina. Ny sambo anefa mahatratra  roa volana eny ambony ranomasina ka tsy maintsy miandry isika. Nomarihiny manokana fa ho an’ireo kara-panondrom-pirenena vaovao vao natontan’izy ireo dia maro ireo  fiarovana maromaro natao ao anatiny hisorohana ny hosoka mety hitranga, indrindra mandritra ny fifidianana. Misy ny fantatry ny olom-pirenena amin’ireny famisy ihany koa ny tsy fantany satria tsiambaratelon’ny fanjakana.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT