Tsy fahampian-drano eto an-drenivohitra

Efa mandeha ny tetikasa lavadrano isaky ny boriboritany


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Olana goavana amin’ny fiainana andavanandron’ny mponin’Antananarivo renivohitra ankehitriny ny rano.

Miha mahery vaika isam-boana ny fahatapahana ka na ireo paompin-dranom-pokonolona aza dia manana olana ihany koa, ny any an-tokantrano moa dia efa zara raha misy 1 na 2 ora isan-kalina no mandeha ny rano. Mahafantatra tsara an’io ny kandida ho ben’ny tanàna Tahina Razafinjoelina ary efa ao anatin’ny vinan’ny Tia Tanindrazana mihitsy ny resaka rano ho an’ny mponina.Ho fanombohana ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo (AMA) amin’ny lavadrano dia efa nisy lavadrano 2 vita eny Mahatony.Ary tamin’ity herinandro ity dia misy asa fandavahana lavadrano miisa 5 izay efa mandeha eny Andohan’i Mandroseza, Ampamatanana, Amboditsiry ary Ambatomaro. Ireo olona ao amin’ny fokontany sy ny boriboritany no mahalala hoe ahoana ny filàna dia arakarak’izay no hanaovana ilay tetikasa. Sady mitsinjo ireo tsy an’asa no mamaly ny filàn’ny mponina ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo. Tsara ho marihina fa rano natao idiovana sy hanasana lamba ny rano tovozona avy amin’ireto lavadrano ireto.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT