“Mahakama ho an' ny Atsimo”, dia tetikasa natao hizara sakafo ho an'ireo mponina any atsimo izay iharan'ny tsy fananan-tsakafo ankehitriny.
Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly ny hetsika nandritra ny lanonana fanaovan-tsonia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin'ny ONG Bovima sy ny Banque alimentaire de Madagascar (BAM), izay nanomboka ny tetikasa niaraka tamin'ny ONN teny amin` ny biraon` ny BNGRC tetsy Antranimora. Ny fanomezana voalohany natolotry ny ONG Bovima sy ny BAM dia hahafahana mizara sakafo 3.675.000 isa ho an' ireo mpisitraka miisa 35 000. Ahitana lafarinina nohatsaraina 250 taonina novokarin'ny AGRIKOBA, katsaka torotoro 100 taonina, voamaina 82 taonina, menaka fandrahoana 12 taonina, ary sinibe 30 isa izay mahazaka 500 litatra ny iray. Amin` ity herinandro ity no hiala eto an-drenivohitra ireo fanampiana ireo. Noho ny tsy fahampian' ny orana tamin'ity taona ity tany amin'ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana dia mihoatra ny 90% ny vokatra no very. Raha ny tatitry ny “cadre intégré de classification de la sécurité alimentaire” (IPC) nivoaka ny volana aprily dia «olona 1.620.000 farafahakeliny no misedra tsy fanjarian-tsakafo. Maherin'ny 550.000 amin'izy ireo no iharan'ny tsy fanjarian-tsakafo. mahery vaika, ka 27000 amin' izy ireo no tena ahina”. "Ny mponina ao Anosy sy Androy dia mila mihoatra ny fotoana rehetra haninjirantsika ny tànantsika amin'izy ireo", hoy i Danil Ismaël, filohan'ny ONG Bovima. "Midika izany fa tsy maintsy omentsika maika azy ireo ny sakafo betsaka indrindra hahafahan'izy ireo mamelona ny tenany mba hahafahany manohy mamokatra, fa koa manampy azy ireo hahazo rano mba hahafahany mampiroborobo ny fiompiana sy ny fambolena», hoy hatrany izy. Moumini Ouedraogo, solontena sy talen'ny PAM dia manamafy fa "tsy maintsy miditra an-tsehatra haingana mba hisorohana ny loza sy ihany koa mba tsy ho tafiditra ao anatin` ny krizy ny fianakaviana maro mandra-pahatongan' ny fijinjana manaraka”.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.