Sosialy

Tsy fahafehezana ny teknika fitehirizam-bokatra Vary 400.000 taonina isan-taona no very eto amintsika


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Tena zava-dehibe ny fahaizan’ireo tantsaha mpamokatra mifehy ny teknika fitehirizam-bokatra mba tsy hahaverivery fahatany izany. Araka ny fanazavana azo omaly tetsy Ampefiloha, nandritra ilay atrikasa nokarakarain’ny “Forum Conseiller Agricole” na FCA izay natsangan’ny AFAAS eto Madagasikara dia mahatratra 400.000 taonina isan-taona

 

ny vary very eto amintsika vokatry ny tsy fahafehezana ny teknika fitehirizam-bokatra. Mpanentana eny ambanivohitra maromaro izay navondrona anaty fikambanana iray no miatrika fiofanana nanomboka omaly, hifarana anio. Anisan’ny dinihin’izy ireo ao ny fanatsarana ny ezaka efa natao tamin’ny taon-dasa, ny olana mbola sedrain’ireo tantsaha mpamokatra aorian’ny fiotazana ny vokatra mba tsy hahavery fahatany izany….Tanjon’ny FAC izay mpikarakara moa ny hahafahana manaparitaka haingana ny teknika fitehirizam-bokatra hahafahan’ny tantsaha rehetra migoka ny tombontsoa azo avy amin’izany. Ankoatra ny vary moa dia mijery akaiky ny voamaina, ny katsaka…ihany koa izy ireo. Mamatsy vola izao atrikasa izao ny AFAAS izay marihina fa efa misandrahaka maneran-tany ary miasa rano fotsiny amin’ny fanatsarana ny teknika fitehirizam-bokatra hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT